4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny diako - Henri ratsimbazafy

Tohizako moramora
ny diako,
Ny tahotra mpanakora
ariako,
ilaozako lavitra any
ny indrisy,
ny nenina sy tomany,
tsy misy !!

Ny lasa niarahantsika,
tantara
ny ho avy sy kinasantsika
mizara
samia tojo izay irina
ho talita
fa dia kabary tsy valiana izay vita.

'Zay lalana voasoritrao
'ndeha izory !
Tsy amponga hoe nahantonao aho
akory,
fa ny fanadinoana anao
raha ilaina
tsy zava-tsarotra atao
e ! ry aina !!

Partager ny diako

Commenter ny diako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite